ny fitiavako anao (vasiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na tsy ho avy ny orana
Na ho maina koa ny taho
Ny ravina ho torana
Hanantena foana aho
.................................

Na tsyhisy rotsirotsy
Hosotroiko ny fahoriana
Na ho maintsy na hofotsy
Fanantenana no hifikirana
......................................
Na tsy hiposaka io masoandro io
Ka hitsahatra ny andro
Ny alina no hanjaka
Hanantena foana aho
…………………………..

Na ny orana tsy hisy
Ka ho maina foana ny andro
Ka ho horitra koa ny rano
Hohamafisiko ny foko
........................................

Tsy hiteny aho hoe: ”vita”
Na oviana na oviana
Na ireo loza tany egypta
no hatao eo antratrako
……………………………..
na hoborina aza ny tongotro
ka hokantsanana ny tanako
hopotsehina ny masoko
hotampenana ny vavako
..........................................
ka tsy havela aho hiaina
izay rivotra tandrify ahy
ka tsy havela aho hahita
izay mba anjara masoandroko
...........................................
ka tsy havela aho handre
ireo tenimaminao
ka tsy havela aho handeha
hamonjy ny fitiavanao
………………………………….
ka tsy havela aho hiteny
hosakanana aho hijery
tsy havela koa handray
izay mboa omenao ahy
……………………………
tsy havelako ho rotika
izay misy ato anatiko
hohazomiko hatrany amin’ny farany
ka hekeko izay sarany................................................

fa ngeza tsy hay ravana
mafy orina tsy hay hozonina
fa mifototra amin’ny fanantenana
sy finoana tanteraka
………………………………………
ka ho mandrakizay
hitety ireo fanala
ny fitiavako anao
na ny aiko no halana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1536 1
Mpakafy: andry112
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vasiana
Nampiditra : andry112
Daty : 29/04/2007 16:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135