mandrakizay (vasiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny andro nivalona no antsoina hoe lasa;
na hodian-tsy hita sy tsy tsaroana
mametraka anio ireo nokinasa;
"tsy hofehezin'ny erana sy ny fotoana"
ireo voady natao ka tsy tanteraka;
tsy mahadiso fa mah'olombelona;
ka tsy hahatofoka na hahaketraka.

FA manosika antsika indray hiherika;
na fahavaratra na andro merika;
hitsidika indray ireo fahiny:
ireo loharano ,ireo kirihitr'ala
nialana hetaheta,namenoana siny;
nandrehetana afo ;nialana fanala!
.......................
fa vain'afo tsy matin'ny rano
mikotrika milamina nefa mandoro
ka na iza handrisika na iza handatsa
tsy mety voafafa mihintsy ny lasa


fa na aiza na aiza toerana misy;
na akaiky namana ;na alavitra havana;
na hihevi-tena ho toy ny tsy misy:
"tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1589 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vasiana
Nampiditra : andry112
Daty : 27/11/2005 20:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149