taratasy farany (vasiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
handao anao aho hoy hianao
tamin'ny tsiky feno sento
fa ny fonao tsy amiko
ka mampitombo izany haniko
sy ireo adintsaiko...
asavoamboan'ny nenina
ka hafoiko re ny aiko,
hahohadinoiko re ny ankaniko...

dia veloma...

any ankoatra any indray
no hanatanterahako
ilay voady "ho iray",
'zay nohitsakitsahiko
tsy tamin'ny safidiko
ka nahakivy anao
eny!any ankoatra any
ilay "ho mandrakizay"..

veloma malala...
raha mahavaky ity tononkalo mirakitr any adimpanahiko ity hianao,dia tsarovy fa efa mangatsiatsiaka any ankoatr aany ny fanahiko...ny fanahiko feno fitiavana ,mitsinjo anao sy mivavaka ho anao...
sambarà malala..
--------
Rohy:
2193 0
Hevitra mandeha
rabety ( 02/05/2007 11:25)
Ngaha nisy inona no dia toa nomena hevitra ny hamoy fo re rahavako izato tononkalo e...
rabety ( 02/05/2007 11:26)
Ngaha nisy inona no dia toa nomena hevitra ny hamoy fo re rahavako izato tononkalo e...
andry112 ( 04/05/2007 18:52)
"fa nyfitiavana dia mafy noho ny fahafatesana;na ho ritra handemana azy avokoa aza ny ranomaso ,na ny ranomasina aza no hotanterina ,tsy hofaty izy raha tsy sitrapony" hoy izay mpandalina iray izay.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vasiana
Nampiditra : andry112
Daty : 30/04/2007 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142