Nofy ratsy (vasiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho sainiko tsy miato sy ho ventsoiko mangina
raha hodradraiko hanakoako iza anefa no hampangina ?
raha ny fahorian-tsaiko no hodradraiko ho ventesiko ;
mety hisy ihany ve teny mamy horenesiko !?

Ireo alahelo lava ve no hameno izany foko ?
ny androalavam-piainako ho temerin'ny toloko !?
Raha tsy hamiratra amiko irony volan-tsinana !?
Iza kosa no hiandrandrako, hitalahoako fanambinana ?

Raha miposaka ianao ry ingahy be masoandro ;
mifaly ny natiora fa maraina hono ny andro.
Fa nahoana kosa lahy no rahomainty lava,
no tandrifim-piainako nilaozan'ny mazava !!?

Nateraka 'hono aho, ka tonga ety an-tany !
Tsy nofantatro akory ny nihariana ahy izany
Nohariana aho izany , nohariana hitomany ?
Sa nohariana aho izany mba higoka koa ny mamy ?

Voaary aho izany, noho izy roa
Nohariana angamba aho ho amin'izy roa koa
izany hoe ity foko hanantena na ity foko izay hamoa
tsy dia ho ratsy lalan-dava, mba ho tojo koa ny soa!

Tsy havelako ianao, tsy havelako hitoloko
tsy havelako hitalaho satria ahy ianao ry foko
Ireo adim-piana-mankalao, ireo tanam-bokovoko,
hamapandaviriko anao , hohadinoiko tsy ho tsaroiko.
--------
Rohy:
1001 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vasiana
Nampiditra : andry112
Daty : 05/05/2013 15:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148