You are here: home > Vetso

Alahelo iaraha-manana - Vetso mena

Azo vakiana?

Ny alahelo iaraha-manana
Fahoriana iaraha-mizaka
Mafy ny fisarahana an-tany
Tsy zaka irery sy mampitomany

Varavarana ihany ny anareo
Fa fahoriana antsika rehetra ireo
Fahalasana tsy zaka zakaina
Izany hoe fandaozana mangaina

Sentosento sy tomany sisa re
No azo natao raha vao nandre
Ny fahalasan'ny havana malala
Ny fahalasan'ilay olon-tiana

Ny alahelo iaraha-mizaka
Fa irery tsy mba mahazaka

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha