Izaho no diso ! (Vetso mena)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety ho izaho no diso
Mbola nanandrana nitia
Na dia efa fantatra fa tsilo
Dia mbola nandeha niriaria

Mety noho ny Amiko
Izay nanantena fiovana
Nahatonga anao teo akaikiko
Tsy nanao afa-tsy ny nandratra

Eny izaho no diso
Fa mbola niezaka nitia ihany
Na efa fantatra fa risoriso
Ka mety hampitondra tomany

Ekeko ! Ahy ny fahadisoana
Ka tsy omeko tsiny akory ianao
Raha toa ny fitiavantsika foana
Dia noho Izaho nahatoky anao.
--------
Rohy:
188 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144