Ianao no nofinidiko - 18/08/2023 (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray aho lasa saina mieritreritra anao
Indraindray tsy mety izay rehetra atao
Fa any aminao foana ny saiko
Tiako hafoy ho anao avokoa hatramin'ny aiko

Indraindray aho mandinika ny tantarantsika
Ireo lasa rehetra, fony vao nanomboka nitia
Fa izao aho maniry ny hampiakatra anao
Ho vady mandra-maty, vonona hitia anao.

Fa androany indro tonga ilay andro
Androany aho milaza ho rean'ny maro
Fa ianao no nofinidiko, ekeko ho ahy
Ianao no efa nekeko ho silam-panahy

Dia ireny lasantsika, na ny tsara na ny ratsy
Tsisy adinoina fa ireny no tena vatsy
Enti-miatrika ny fiainana any aoriana
Rehefa sedra olana isika roa ry tiana

Ka androany aho mijoro eto amin'ny alitara
Mangata-tso-drano mba hahita ny soa sy ny tsara
Ho tahian'ilay nahary, mba haharitra hatrany
Ny toky napetrantsika mba ho voahaja mandra-maty

Fa androany indro tonga ilay andro
Androany aho milaza ho rean'ny maro
Fa ianao no nofinidiko, ekeko ho ahy
Ianao no efa nekeko ho silam-panahy

Indraindray aho lasa saina mieritreritra anao
Indraindray aho mandinika ny fiarahana Taminao
Dia fantatro fa ianao izao no nofinidiko
Ho ilay olon-tokana iriako eto anilako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
398 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141