Any ianao ry tiana (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana maromaro izay no lasa
Fa tsy mety niala ato an-doha izay kinasa
Nitia anao aho ka sarotra Tamiko ny nanadino
Na ireny fisarahina ireny aza toa tsy mba nampino

Any ianao izay ry tiana, fa mitamberina ato an-doha
Te hiantso anao aho hoe miverena fa izany tokoa ve moa ?
Ny hany mba ananako sisa dia ireto sarinao.
Fa efa nandao ahy hatry ny ela izato vatanao.

Aza manahy ianao ry tiana fa tsy maintsy ho tafitako
Ireto zanantsika izay sisa mba ananako
Ananako ahatsiarovako ireny fiarahantsika ireny
Mafy Amiko rehefa manotany ilay farany hoe aiza i Neny ?

Any ianao izay ry malalako, efa iriako ho sambatra.
Izaho eto foana e ! Miezaka ny miaina fatratra.
Ny ato anatiko mbola marary, sarotra ny hanadino.
Fa hatramin'izao anie ny saiko ka mbola tsy mino.


Malala ahn, fantatro fa tsy tianao halahelo lava aho.
Fa avelao aho mba ho eto farany hitalaho.
Hametra-beloma farany ho anao ry ilay tiana.
Any an-koatra indray no mihaona ary izay no faniriana.


Veloma mandra-pihaona akia ry tiana
Aza manahy fa tsy hanadino anao aho
--------
Rohy:
140 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0165