Manimanina - 16/11/2016 (Vetso mena)

Nantsain'i LurissAdr
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manimanina aho izany
Manimanin-te hitsidika
An'ity tany Malagasy
Izay mahatehotia tokoa

Fa ity tanintsika ity
Mitahiry fahatsiarovana
Izay tsy maty ato am-poko
Fa mahamanina ahy tokoa

Manimanin'Antsiranana
Fototry gasikara
Manimanin'ny Mahajanga
Izay be hafanana

Manimanin-Toamasina
Izay efa saika Masina
Manimanin'Iarivo
Be lamaody nefa marivo

Manimanim-Pianarantsoa
Izay ianarana ny soa
Manimanin-Toliara
Tsy mba misy ala

Ô, ry tany Malagasy
Izay tany Masina tokoa
Mahamanina ahy ianao
Ry Madagasikara soa
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Tanindrazana
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161