Te hitia fa... (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho vitako mihitsy ny hametraka anao iny.
Fa mbola te hitia sy te hiverina amin'ny fahiny.
Fa indrisy moa tsy namela izany ny fiainana.
Fa mbola maro loatra hono no tokony ho hita sy hisainana.

Ka dia tsy maintsy handao, tsy ho fantatro ny atao.
Fa dia mitamberina an-tsaina, izay niarahako taminao.
Ireny resadresaka sy nofinofy nifampizarana.
Toa tsaroako foana, fa rehefa anilanao aho toa tamana.

Te hitia anao indray, hamerina ny tsara rehetra taloha.
Fa ianao nilaza hoe izany rehetra izany efa tsy an-doha.
Tsy nisy ny ratsy nifanaovana, fa ny fiainana no nanasaraka.
Nefa koa ny foko ity hatramin'izao dia mbola manarangarana.


(18 avril 2021)
--------
Rohy:
206 1
Mpakafy: francillon
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081