Tsy ho adino ! (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety ho sarotra ihany
Ny hanadino ireny lasa
Hatramin'izao mbola tomany
Mahatsiaro hoe rava

Tsy nampoiziko velively
Hifarana toy izao
Tsy ho afaka ny hanery
Ka dia naleo hifandao

Hatramin'izao tsy adinoiko
Fa miraikitra ato am-poko
Tsy mba mety ho foiko
Tsy voafafa na voavonoko

Nilazako hoe tsy tia
Dia laingako avokoa
Fa mbola ato ilay fitia
Tokana tsy nanam-paharoa

Sarotra amiko ihany
Raha ny hanadino anao
Fa ajanoko ny tomany
Fa efa ela no nifandao

Sarotra amiko koa
Raha mbola hifankahita
Fa tapitra ny antsika roa
Ka hifandao, tsy ho tia

Fa hoy ianao tamiko izay
Tsy ho fantatra ny ampitso
Iriako ihany isika ho iray
Ka hifamela izay nahadiso

Hajanoko aloha ny tomany
Fa handroso amin'ny fiainana
Hitady izay rehetra mamy
Fa ny ampitso mbola ankamantatra...
--------
Rohy:
143 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139