You are here: home > Vetso

Ekeko ! - Vetso mena

Ekeko !
Ekeko fa anananao ny hatsarana
Ekeko fa anananao ny fitiavana
Ekeko fa misy hafa any ankoatr'ahy
Ekeko fa ianao kay tsy ho ahy

Ekeko fa anananao ny fo miantra
Ekeko fa efa nantsoiko hoe malala
Ekeko fa tapitra hatreo lay fiteny
Ekeko fa ianao koa efa niova fijery

Ekeko fa handao ny eritreritro ianao
Ekeko fa tsy ho vitako ny hitalaho
Ekeko fa tsy tiako hatao ny hanozona
Ekeko fa izaho no tena voadona

Ekeko fa tapitra hatreto ny nofy
Ekeko fa ilay fitia tsy ho tody
Ekeko fa hilatsaka ny sentoko
Ekeko fa hameno ny foko

Ekeko izato ranomasoko izato
Ekeko ny nanala anao tsy ho ato
Ekeko fa ny alaheloko nibahana
Ekeko anefa fa ianao tsy anjara !

Ekeko ny mbola hahita ny tsara
Ekeko anefa fa ianao mbola tsara
Ekeko ny hitso-drano anao any
Ekeko ny ahitanao indray ny mamy

Ekeko fa tsy tiako hitanao ny sento
Ekeko fa izy no tianao ka ento
Ekeko fa narary taminao ny teniko
Ekeko fa mafy tamiko izany hoe diso

Ekeko fa hisaraka eto indray ny dia
Ekeko fa samy manana ilay fitia
Ekeko ihany ny hanao veloma.
Ekeko fa saingy mandram-pihaona

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha