Raha toa ka hifandao (Vetso mena)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka hifandao
Dia iangaviako ianao
Tsy hitondra alahelo
Sy ranomaso lava izao
Fa tsarovy ireo lasa
Dinio izay kinasa
Ary ajanony ao am-po
Izay hitanao fa mamy...

Raha toa ka hifandao
Mety halahelo ianao
Fa fitia tsy azo izany
Tsy tokony hampitomany
Fa raiso izay tsara
Raiso ho anatra amin'ny ho avy
Ary ajanony ao am-po
Izay tianao taloha...

Raha toa ka hifandao
Tsy hoe akory tsy tia anao
Fa misy lesoka tany ho any
Ka ny fandaozana no tsara.
Mety harary hampitomany
Nefa izao no hafatro farany
Ajanony ao am-po
Izay tsara hitanao taloha...
--------
Rohy:
377 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146