You are here: home > Vetso

Mbola ho avy ny andro - Vetso mena

Azo vakiana?

Mbola ho avy re ny andro
Fa aza dia mora kivy
Aza dia manganohano
Fa ho eo ilay mampitsiky

Mbola ho avy re ny fotoana
Fa miandrasa ihany aloha
Ka aza manaonao foana
Sao tsy hahita izay mahasoa

Mbola ho avy izay niriana
Ka handravaka ny ho avinao
Mbola ho  eo izato olon-tiana
Fa aza dia manabe talaho

Hametraka hevitra

Midira aloha