You are here: home > Vetso

Ny efa vita - Vetso mena

_ aza arahina hakiviana vontoson'alahelo
'Lay lasam-pahoriana sy feno fijaliana
Fa avereno eto ilay tsiky mamerovero
Ka ho feno hafaliana sy fahasambarana

_ ireny vita ka lasa tantara
Tsy voasolon'ny andro androany
Fa ny hany azo ovaina sy soratana
Tantaran'ny fiainana efa ho avy

_ tsy hatao hampakivy ny androany
Noho ny lasa izay efa vita
Fa natao fananarana ny ho avy
Hanolo indray ny rano efa nita

Hametraka hevitra

Midira aloha