You are here: home > Vetso

Ny foko no nitia fa tsy ny azy - Vetso mena

Azo vakiana?

Ny foko no nitia fa tsy ny azy
Ka izay lazaiko ataony vazivazy
Satria tokoa hono, izany no izy
Fa fitiavany ahy toa tsy ho hisy

Ny foko no naniry ny hitia
Nahatonga ny saiko te hiriaria
Saingy indrisy nofy ihany izany
Nofinofy nampisento tomany

Fitia tsy mivaly ve tsy hiteraka alahelo ?
Ka mampisy ranomaso sy sentosento ?
Tsia hoy aho fa matoa tsy nivaly ny fitiavako
Mbola tsy izy no ilay nantenaiko ho anjarako

Ny foko no nitia fa tsy ny azy
Ka hilaza ny foko aho handao azy
Satria tsy ho ahy izy, tsy ilay tena izy
Ny hafa izay mbola tsy fantatro no izy.

Sokajy : Fitiavana