Ny olon-tiako (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay olon-tiako iray sady tiako no tia ahy
No indro tena lazaiko fa io no silam-panahy
Andry iankinan'ny foko, ataoko toy ny volamena
Satria tsy mba an-kafa ny olon-tiako fa an'ny tena

Izy no tena izy fa tsy ireny lasa rehetra ireny
Izy no tena anjarako fa tsy ireo izay rehetra voateny
Ny olon-tiako ahy irery, tsy misy mahasolo azy
Hanolorako ilay fitiavako, fitia tsy misy vazivazy

Izy irery ihany no ato am-poko tsy ho soloiko
Izy irery ihany no olon-tiako tsy foiko
Eo Aminy ny tsiky, eo Aminy ilay fitia
Zay koa moa efa samy nifankatia

Matokisa ianao ry malalako
Fa ianao ihany no anjarako
Zaho tsy hivadika Aminao
Satria efa natolotrao ny fitiavanao
--------
Rohy:
1031 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146