Poeta nitia (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Nitia ianao nolaviny ka noventsoinao an-kalo
Tsy mba noharatsianao, na nozoninao ho fahavalo
Fa mbola tao foana, lay fanantenana ny ho Azy
Ka nosoratanao an-kalo indray izany androany.

_ Ianao ry Poeta, niezaka ny nanolotra fitia
Na ny kalokalonao aza nahitako hoe tena tia
Saingy hay moa ity olon-tianao, efa manana
Manana ny olon-tiany, nanolorany fitiavana.

_ Ianao ry Poeta manantena Azy hatrany
Hoe mbola hiaraka ianareo indray androany.
Saingy indrisy anefa izany lasa vetsovetso.
Vetsovetso irery, mitahiry ilay anjara sento.
--------
Rohy:
962 2
Mpakafy: Ulrichadr - rivomalalam
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165