You are here: home > Vetso

Rehefa tonga ny Noely - Vetso mena

Azo vakiana?

Rehefa tonga ny noely
Izay ankalazaina toa fety
Miomankomana ny vatana
Fa hifarim bona ny mpihavana

Jesoa koa anefa miandry
Izay ahatongavanao any
Hankalaza ny fetiny
Ka handray izay hoentiny

Rehefa tonga ny Noely
Tsy hadino velively
Ny hanao fihinanam-be
An'ireo sakafo be

Jesoa koa anefa ao
Efa nanomana ho anao
Hanim-be ho an'ny Fanahy
Mitondra hery mampiray

Rehefa tonga ny Noely
Aza atao farahery
Ny fitiavan'i Jesoa anao
Fa izany no hanavotra anao

Sokajy : Aingam-panahy, Vavaka

Hevitra mandeha

katrynah (29/12/2019 20:02:13)

Tiko be misaotreee tohizo fa tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha