Satria ianao tia (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ matoa ny masonao mandinika foana
Lay fonao mitempo mangina, n'aiza haleha
Lay sainao izay maniry azy mba hilaza
Lay fitiavanao toa nivadika ho sedra

_ satria ianao no tia, saingy toa voasakana
Satria lay fonao naniry, saingy voasedra
Raha ianao mantsy no milaza, toa hafahafa
Ka tsy hitanao intsony,zay atao sy haleha

_ nihezaka foana ianao, nanantona azy
Saingy izy tsy mahafantatra ny ao am-ponao
Mody nasianao tsiky kely, narahinao vazivazy
Nefa ny ao am-po, tena maniry ny olon-tianao

_ matoa nefa izy mbola tsy nilaza fa nafeniny
Mody narahiny tsiky ihany koa, nasiany sangisangy
Satria mbola mandinika, mba tsy hananan-tsiny
Hoe ianao marina ve no tena am-pony sy niriany.
--------
Rohy:
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132