Tao am-pianarana (Vetso mena)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Tao am-pianarana aho indray andro izay
Nahita tovovavy kely manjamanja anakiray
Dia niezaka ny niala Azy aho fa saingy indrisy
Raha ny faniriako hanalavitra Azy toa tsy hisy.

_ Efa ela no mba nahafantarako ny anarany
Tamin'ny taloha, ilay mbola nihaona tany ho any.
Saingy androany anefa, tafaray tato isika
Ka tsapako fa vao maika nihamafy ilay fitia.

_ Tiako ho tsapany ny fitiavako Azy izao.
Fa tena matotra ity fa tsy mba natao kilalao.
Nefa na hilaza aza ve aho, ho tsapany izany ?
Satria mbola fantatro fa misy iriany any ho any.

_ Iriako mba izaho no hamarana ilay tantaram-pitiavany
Ka ny Ahy sy Azy iriako hotanteraka indray androany.
Mba faniriana ihany aloha izany ankehitriny
Fa tsy ho fantatro mihintsy izany mba faniriany
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
603 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014