Tiako haharitra (Vetso mena)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ Mba tiako haharitra tokoa lesy ny fiarahantsika roa
Tiako mba ho feno fitiavana sy ho voky zava-tsoa
Ka na misy aza ny olana tsy maintsy hosedraina
Iarahantsika misedra na dia hiantra aman'aina

_ Tsy hisy intsony ny mahasaraka ny fiarahantsika
Fa mafy noho ny herin'ny tany ny fitiavantsika
Fitia tsy mba mitanila, fa mandrakotra fo tokoa
Fitia mafy dia mafy, lay fitiavantsika roa

_ Fa mba angatahiko amin'Izy any ambony any
Mba hofenoiny zava-tsoa sy hotahiany hatrany
Ity fiarahantsika izay hita fa tsara tokoa
Ka mba ho doria, izay ilay tanjontsika roa
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
538 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144