Tsara tso-drano (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ ny fandrenesako hoe misy olona tianao any
No somary nampalahelo mafy nampitomany
Kanefa naleoko ihany aloha mionona fa rava
Ity fitiavana vao natomboka, ity mba fiarahana

_ naleoko koa niala, tsy nasiako gidragidra
Ny fandrenesako anao, nilaza azy fa hoe tia
Mahareta akia miaraka aminy raha izy tokoa
Ka aza eritreretina aho fa ny fiarahantsika tsy toa

_ ny teniko farany, afarako aminao akia
Adinoy ny fisiako, adinoy lay fitia
Saika novokarintsika niaraha-nanangana
Ka aza iasana saina, f'isika efa tsy anjara

_ tsara-tso-drano, ary mahareta
Fa aleo aho hionona sy hitetateta
Hanadino faingana, lay fiarahantsika
Satria lay foko naratra fa voakika
--------
Rohy:
1229 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146