Tsy maintsy tafita ! (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Latsaka ambany aho, nilaozan'ireo hoe namana.
Nanao fahadisoana aho, nolatsain'ireo havana.
Tsy mba nisy ny nanarina, fa vao maika aza naneso.
Ka voatery aho niarina, ary tsy maintsy nandao teto.

Fony aho nangataka ny mba hahazo izay fanampiana.
Nolazaina foana hoe izaho mihitsy no efa tsy mahaliana.
Ka voatery aho niady irery, tsy afaka hilazalaza amin'ny hafa.
Nataoko ho tarigetra ny hoe na irery aza aho tsy maintsy ho tafa !

Fa ny fiainana hono indraindray mamela anao hiady irery.
Fa tiany ho mafy mantsy ianao, tiany hiaina tsy an-teritery.
Anjarako sisa no mitady izay mety hahasoa ny tenako.
Tsy hilaza na amin'iza na amin'iza izay lalana ho alehako.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
610 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156