indray andro any - vo.sedra
Azo vakiana?
Indray andro any
dia iova ny fiainako
Ka ho voafafa ny tomany
Ary hody fifalina reo rehetra nitarainako
Indray andro any
Inoako tsy hoela intsony
Mba igoka zany mamy
Ka ho tretrika hitony
Amin'izany dia inoako
Fa ivadika ny rasa
Ka izaho 'lay nitoloko
Mety mba ahita asa
Mety mba ahavelontena
Tsy itamby any ankafa
Mba hilaoka izany hena
Ho patron fa tsy sôlafa
Ho soloiko velondrirana
Ny lambako efa tena rovitra
Ny kiraro atao mangirana;
Dia blouson sao mangovitra
Ho adino hatreo ny fahoriana
Niaretako elabe
Na I madama aza sondrina
Anafosafo andramose
Vo.sedra 14/04/2015
23:09:21
Hevitra mandeha
endrika01 (17/04/2015 08:42:25)
Maninona kounkou zao no natao vazivazy lay izy!sa mbola tsy tena izy ,tsy fanirina fa nofinofy :D
Mombamomba
Mpanoratra : vo.sedra

Nampiditra : vo.sedra
Daty : 16/04/2015
Mpamangy : 1074
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ho anaoFitia rava
_fy..,
Raha ny tiako!
Nilaozanao!!
Toa ...
Tambitamby ...!
Aleoko ihany !!
tia
ts anjara