Raha ny tiako! (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny tiako dia ianao
eo anilako eo hatrany
eto akaikiko tsy handao
fa tia dia tia hatrany hatrany
raha ny tiako irony lasa
iarahantsika mankafy
ireo rehetra nokinasa
iriako mba ho doria
raha ny tiako tsy hijaly
anaty embona tsy zaka
fa ny vitatsika omaly
mbola henoko manjaka
raha ny satriko androany
mba nahita anao ry tiako
saingy indrisy tsy izany
molomaina no nodiako
raha ny tiako dia aheno
ny feonao am_pindaiko
ankehitriny zaho tsy feno
mila anao aho sombinaiko
'ty mba misy fiangaviako
ho anao mpamaky raha azonao atao
raha hitanao 'lay olontiako
dia izao lazao
TENA TIANY HOE IANAO,...

20/12/2016 23:46
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1291 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 22/01/2017 15:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138