neny (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kanto sady sarobidy
Ny eo anilanao ry neny
Fitiavana tsy voavidy
No tsy voalazako an-teny
Fitia tsy mba voasolo
Sady tsy manan-tsahala
Fitia tsy mety bobongolo
Ny anao ry neniko malala
Nokoloinao ihany koa
Ny zanakao mba ho mendrika
Nobeazinao ho soa
Hampangina ireo mpanenjika
Tsy navelanao irery
Raha tojo ny ankaso
Tonga ianao nijerijery
Sy namafa ranomaso
Toa tsy ho haiko ny hamaly
Ny soa vitanao ry neny
Ny hany ataoko hamalifaly
Sy hivavaka ho anao ombieny
Vo.sedra 07/05/15
00:16
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1264 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 08/05/2015 03:39)
tena tsara r'ingahy le asa-soratra a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 06/05/2015 21:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142