Antso ho anao (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miantso anao aho hiverina
hitsabo ilay ratra tsy hay leferina
miantso anao aho hitodi-doha
hampitony ny saina sy ny fanahy ary ny fo

Miantso anao aho ka mitalaho
hamerina ilay fitiavana ho vao
miantso anao aho fa efa resin'
ny alahelo sy tomany mifanesy

Miantso anao aho mbola babo
ity foko kely izay mivazo
ireo tsiahy sy tamberina fahizay
niantso anao aho rahatrizay

Miantso anao aho fa mbola tia
hanao ny voady hiara-dia
miantso anao aho ka mba valio
fa ianao no hany hazavana mba hitsilo
--------
Rohy:
149 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 13/07/2024 13:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2249