Mbola ho tsapanao (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho tsapanao eny ihanyny haben'ny fitiavako anao
izay mahatonga ahy tomany
noho ny fahatsiarovana anao
Mbola ho tsapanao eny foana
ilay fo feno fitia izay miantso
mbola miandry hatrany izany fotoana
na mafy sy mafaitra aza ny manjo
Mbola ho tsapanao fa tsy kilalao
ny fitiavako ry ilay tiako sy mamiko
fa ny sento amin-dranomaso mitalaho
no hentiko milaza fa ianao no laniko
Mbola ho tsapanao fa tsy filana ihany akory
no manentana ahy hitia sy hiaraka anao
fa ny foko mihintsy no miaiky sy mitory
ny fitiavany anao hatramin'izao ora izao
--------
Rohy:
Sokajy :
fanantenana - Fitiavana
Mpakafy:
voady