Tiako foana ianao (Randja)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na misy aza ny haratsiana ho tazana eny
na iza tsy hangina fa hanambara sy hiteny
hifosafosa, handramby, hanaratsy anao
na misy aza izany, mbola tiako foana ianao

Na misy aza ireo mikotaba, eny mankahala
na iza mankalaza sy miseho mahalala
ny mombamombanao, ny halemenao
sahiko ny milaza fa tiako foana ianao

Na misy aza ireo sorena amin'ny fiarahantsika roa
na iza mampihena ny lanjan'ny fitiavako anao ihany koa
nefa ho sasatra eny foana, ho lany andro fahatany amin'izao
f'ianao vao maika mamiko, eny tiako foana ianao

Na misy aza ireo zavatra maro efa nitranga hatrizay
na hisy sedra, na handalo fitsapahana mahamay
Na iza feno hatsarana mihoatra noho ianao
efa ianao no safidiko dia tiako foana ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4897 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 02/01/2012 17:53
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118