Tsiaro anao (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatsiaro anao aho dia mivetso
ireo tantaram-piainana efa vita
fa toa fararina sy misento
satria ianao nandao tsy hita

Mahatsiaro anao aho dia mitamberina
ireo toky sy dina nifanaovana
nilaozanao aho vao latsa-nenina
tamin'ireo ditra sy zava-bita nifandaozana

Mahatsiaro anao aho fa tokana irery
mitoloko feno ratra ao anaty
fa osa sy malemy tsy ampy hery
noho ilay dona izay tsy tanty

Mahatsiaro anao aho dia miantso
ny hiverenanao eto anilako indray
mba hanavao sy hanakanto
ilay fitiavantsika tsizarizary hatrizay
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Embona - Fitiavana
515 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Randja
Inséré par : voady
Date : 13/07/2024 12:52
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118