Tsy hiova (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hiova fa ho anao mandrakizay
raha ny fitia miredareda tato am-po
aza manahy f'efa anao irery avokoa
raha ny fitiavako rehetra hatrizay

Tsy hiova tokoa moa fa ho anao doria
raha ny amiko, ny fiainako rehetra
tsy hiala intsony aho fa hitoetra
satria efa neniky ny soa, feno fitia

Tsy hiova velively fa ianao irery ihany
no hiantefan'ny fitiavana ary koa ny safidy
na hisotro ny mamy na hitelina ny mangidy
dia ianao foana, ianao no mamiko hatrany

Tsy hiova fa ianao irery tokoa
no hany mpanasitrana ity foko marary
rehefa hanjakanao aho vao lavorary
izay kasaina, izay atao tanteraka avokoa
--------
Rohy:
464 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 30/09/2024 10:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119