BITSIKA (VOARABE)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BITSIKA.

Etsy hobitsihiko, raha mbola tsy matory
Izany sombinaiko lalaiko loatr’izany
Bitsika tsy ataoko handrebireby akory,
Fa ritsoka malefaka ho zary nofy mamy

Sanatria tsy rediredin’ny alina mangina
Fa tena ventsoventso miloatra avy ao am-po
Avia ka miondàna eto antsandriko ry tiana
Ny ato am-poko rehetra haborako avokoa

Tiako ny hanambara, f’ianao no soa indrindra
Na bika, na tarehy, na volo, na tsanganana
Ny foko dia mifikitra, tia ka tsy hay afindra
Tsy mahasolo anao ny volam-penomanana

Raha endrika sy bika ivelany ihany anefa
Nofo ka mandalo, mandalo tsy maharitra
Fa ny fanahinao , mambabo ka miantefa
Mitsatok’ato anaty, toa lefona maranitra.

Raha eo anilanao aho, dia satriko tsy hiala
Toa misy hery miafina mihazona ny vatako
Ianao ilay hany tiako, ilay hany mahalala
Ny tsiambaratelon’ny kalo izay soratako

Voarabe.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1245 1
Mpakafy: cialaurie
Hevitra mandeha
cialaurie ( 11/07/2007 17:43)
izay nareo vao tena tsy hatory ko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOARABE
Nampiditra : Voarabe
Daty : 11/07/2007 12:56
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014