MASINA NY TANINDRAZANA (VOARABE)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MASINA NY TANINDRAZANA

Ny gasy dia tokana fa tsy maro
Ny foko rehetra mahay miharo
Na ngita na oly na tsotra volo
Ny gasy dia tokana iray daholo

Na fotsy na mainty na zarazara
Dia tokana iray Madagasikara
Anaram-ponenana fotsiny ihany
Ny hoe an-tanivo sy indran-tany

Ny gasy efa fantatra hatramin’izay
Fa mahay mifanampy sy mifandray
Ary zavatra iainana fa tsy angano
Ny gasy tsy andairan’ny ady an-trano

Na zovy na iza ka te handrava
Te hanakorontana lalandava
Dia ho fotsy rora sy sasa-poana
Fy ny gasy mihavana foana foana

Asakasak’ireo mpampisara-bazana
Fa masina loatra ny tanindrazana

VOARABE
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
3007 1
Mpakafy: Voarabe
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOARABE
Nampiditra : Voarabe
Daty : 16/06/2007 16:55
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144