NY FIFANKATIAVANTSIKA (VOARABE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIFANKATIAVANTSIKA

Tsy dia noho ianao malala, na ny momba antsika akory
No mampivadibadik’ahy ka tsy ahitako tory
F’indraindray manonja loatra ny hetraketraky ny fiainana
Ka mandrotika fanahy, mampijaly ny fisainana

Soa aza nisy anao, dia ianao ilay voninkazo
Ilay fela-manim-pofona, mampitony ho azoazo
Rahefa sendra misafoto izany tsiokan’ny tadio
Mila hanempotra ny fianako mila rivotra madio

Soa aza nisy anao, dia ianao ilay tantely
Ny hamamiana anananao, tsy hatsatso velively
Manamamy ny ati-foko, rehefa mila tsy ho laitra
Ny fitosaky ny afero izay mangidy sy mafaitra

Soa aza nisy anao, dia ianao ilay hazavana
Masoandrom-pifaliako, sy mitondra hafanana
Na mikitrok’aza ny haizina, ka mamely ny hatsiaka
Mahery aho fa misy anao sy ny fifankatiavantsika.

20/05/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1280 3
Mpakafy: Anita31 - cialaurie - Voarabe
Hevitra mandeha
cialaurie ( 11/07/2007 17:45)
mahay zavatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOARABE
Nampiditra : Voarabe
Daty : 16/06/2007 17:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103