KIMANDORONDORO (VOARABE)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KIMANDORONDORO

Raha misy ny hevitra tsy itoviana
Mandinika aloha
Ny omby indray mandry na oviana na oviana
Tsy indray mifoha

Raha fampandrosoana no atao tarigetra
Sy lalan-kombana
Dia arovy ny dingana vita rehetra
Fa aza ravana

Rehefa mitokona kosa ary ve
Dia tsy maintsy mandoro
Fa angaha izy ity oniversite
Amin’ny trano zozoro ?

F’angaha ts’isy hevitra hafa sy tsara
Mba mety kokoa
Ahafan’ny gasy s’ilay Gasikara
Mitady ny soa ?

Ny mamotika anie rehefa sorena
Dia mora aok’izany
Fa vao maika mandetika ity firenena
Amin’ny farany ambany

Koa raiso ny ampinga asehoy ny hevitrao
Mahaiza mijoro
Kanefa tandremo, fadio sy ialao
‘Le kimandorondoro


VOARABE

16-06-07
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1101 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOARABE
Nampiditra : Voarabe
Daty : 16/06/2007 16:46
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137