MIFANKATIAVA (VOARABE)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFANKATIAVA.Tsarovy re ry velona
Fa kodiarana sarety
Ny fiainana eto an-tany
Mandalo sy mihelina
Miova vetivety
Manao ambony ambany
Na izaho na ianao,
Tsy afaka handova
Ny tany fandalovana
Tsy afa-manavao,
Tsy afaka manova
Ny lalàn’ny fahalovana
Ny endrika sy bika
Ny hatsaran-tarehy
Ny harena mora rava
Tsy ahafahatsika
Mitompo sy manjehy
Ny andro mba ho lava
Koa aok’hifankatia
Aoka hifanasoa
Raha mbola velon’aina
F’ity vatantsika ity
Ho potika ho lo
Ho vovo-tany maina
VOARABE
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Mpakafy:
Voarabe