TIAKO IANAO (VOARABE)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO.

Tiako ery ianao, ‘lay hendry maotimaotina
Malefa-pihetsika iny
Tsy mba firinga mihevotra, mora araraotina
Fa kanto, ts’isy tsiny

Tiako loatra ianao, tsy haiko izay hambara
Fa ny fo ‘zay ao anatiko
No injany fa midoboka sy misamboaravoara
Toa mila tsy ho tantiko

Tena tiako ianao, ka satriko hobanjiniko
Ny angolanao sariaka
Avia eto antratrako, meteza hofihiniko
Ry endrika amam-bika


Voarabe.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1492 2
Mpakafy: cialaurie - nicolas
Hevitra mandeha
cialaurie ( 11/07/2007 17:39)
sambatra izy, tinao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOARABE
Nampiditra : Voarabe
Daty : 11/07/2007 13:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145