FINOANA (VOARABE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FINOANA

Mamindrà fo amiko, mamelà ny hadisoako
Ry Andriamanitra mahery
Matimaty, ratsy rehitra, mangatsiaka ny finoako
Ka matahotra aho sao very

Omeo ny solikao mateza, sao ny ahy dia tsy haharitra
Mandra-pihavin’ny mpampakatra
Miaraka amin’ireo anjely, sy ny tafiky ny lanitra
Amin’ny ora iray tsy fantatra

Aniraho ilay Fanahy, hankahery sy hanazava
Hampitraka raha tahiny
Ka tandindomin’hakiviana, ny finoana mety ho rava
Nohon’ny ady ankehitriny

Ny mpamonjy zanakao, mpisolovoina sady zoky
Maty nohon’ny fahotako
No horaisiko ho mpiaro, mpampahery sady toky
N’aiza n’aiza tany ombako

Ka aza avelanao ho kivy, ampaherezo aho ry Ray
Hahatoky sy haharitra
Mba ho anisan’ny voafidy ka ho mendrika handray
Ilay Satroboninahitra


Voarabe
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1578 1
Mpakafy: Voarabe
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOARABE
Nampiditra : Voarabe
Daty : 11/07/2007 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138