You are here: home > Vetso

OVAIKO TSIKY - Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)

Ravahako amin'ny tsiky ny fiainako mangiana
Mba tsy ho tsinjonao ny masoko tomany
Dia tsy ho fantatrao ny ziogam-pahoriana
Niainako hatrizay sy nolanjaiko hatrany

Ireny ratra-poko sy ny sentosentoko
Dia mody ovaiko sangy amin'ny tafatsika
Tsy tiaku ho fantatrao mantsy ny alaheloko
F'izany no hafanana handreseko hatsiaka

Dia ho ataoko kalo ilay anara-mamy
Napetraka ho indramiko, niaina teo anilako
Nalefa ka nandao, intsony tsy eto an-tany
Veloma ry malala, veloma r'ilay silako

Hametraka hevitra

Midira aloha