"HANGINA VE ISE" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hangina ve ise ;
raha misy vava basy mandrahona hipoaka?
raha mba hiangaviana hitondra feom-bahoaka?
Fa teto,nisy antso nitraina sasak'alina,
Nisy teto ratra nandoatra alahelo sy ranomaso lalina,

Raha gina mantsy ise,
Dia mba hindramo vato aho hilaza ny hetahetako,
Hitaomy vatolampy aho hisolo ny poetako sy ireo mpanoratro,
rehefa ireo tsy hiteny,dia vato indray ny ahy no teny ho hatorako,

Fa moa hangina ise?
hitsitsy ranomainty hilazana fy sy tiana ho lalaina?
Hanakipy maso anaty faharendrehana sy hamafisan-tsaina?
raha izay no marina,dia inay tsy nisy ny aingako tanaty,
Fa zary sora-poana ny sora-kanton-dRado 'lay hoe andeha "SORATY"

0040025 Zavona Rakoto 0009
--------
Rohy:
Sokajy : Tolona - Tanindrazana - Alahelo
107 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144