"NANAMBADY IANAO" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Lu par ZavonaRakoto
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga teto omaly ny fakiteranao nivimbina litera,Valopy mangamanga misarin'olon-droa no teny an-dratsa-tanany,
fa hono hatolotra ahy. Niontana ny foko
Nangovingovitra aho,f'angamba taratasy tsy marina adiresy ity ampela-tanako.
Hanambady ianao! izany no litera voarakitry ny soratra natontan'ny printy.
Dia hono hoe manasa olona ankiroa
anivon'ankohonako ianao sy andriamatoa.
izaho no ankiray voatondro tao mazava.
dia ilay fiangonana falehako matetika
sy fandatsahan-drakitro isak'alahady
no hanaovam-pety handraisanao tso-drano fa...
hanambady ianao!
Raha iny monja ihany,
angamba mba voalefitro fa ny toa nandratra,
sady nankarary ny aiko manontolo
dia ilay litera nataonao efa-joro misary voninkazo.
litera mamiko io,
tenin'Andriamanitra nifanolorantsika,
fony isika roa voababon'ny fitia.
Kanefa ankehitriny fanevan'olon-kafa!
Sao lahy mba tsy rariny?
tsy akory hoe ny sariny no tiako hosoloina,
Hanjary mba ho sariko sanatrian'ny vava,
fa moa ny tsikinao,mba mamina va re
raha hokotsaiko ando an-dranomaso an-tava?
ny fahasambaranao hiaino ampilaminana,
manàna tokantrano,
f'izay ranomasoko? aza ianao manahy fa...
arotsako ho tso-drano. Raha hanambady ianao!
Fa oram-pahoriko ny datinao ho avy
dia aza mba miangavy fa saikatra aho ny hanaiky.
Zavona Rakoto in KODIARAM-BY
--------
Lien:
Commentaires

Ma F.M
(
29/11/2024 09:37)
ndriiiiii,

Ma F.M
(
05/12/2024 13:25)
mankasitraka tompoko

ZavonaRakoto
(
05/12/2024 13:37)
Mankasitra anao namako,
Ny azo ambara ary 😊
Ny azo ambara ary 😊
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterLectures
Lu par ZavonaRakoto
Audio Player