"OMALY HARIVA" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Omaly hariva lesy a,
Disodiso kely aho dia rava ny aminay,
Hetsika tsy tana tanaty roa minitra
Dia nahasimbasimba ny kantoko efa nisy
Najoroko hatrizay.
Tsy hitahita akory Dia toy n'y tsy niforona
irony ora tokana niarahana nisangy,
Fa lasa! Nampamangy Ilay olona notiaviko
Niezaka ho an'ahy.

Omaly hariva lesy a,
No nisotroiko indray ny tsiron-dranomasoko
Noheveriko efa ritra.
Nahatsapako indray fa tsinontsinona aho
Raha tamin'ny fahendrena nozarainy tamiko.
Lasa ianao Ilay mamiko,ilay nikipiako mafy Tanaty taona maro.

Na aza aho saropiaro sy nohentikenti-po
Dia tapina ny daomy,
Tsy nisy nisampanana fa tratra iray sy fotsy
Tomany sisa antsa sy feo mandrotsirotsy
Miritsoka fisaonana.

Omaly hariva lesy a,
Omaly sisa andro azoko nofisina
hamerina ny diary mamiko hatrizay.
Fa vita ny aminay,vita! Tena vita.
Ny any ankoatra angamba no tsy haiko raha hitohy.

Omaly hariva lesy a,
Nanjaitra tonom-bavaka aho MBA hiverenany amiko
Fa toa sondriana angamba 'lay zanahary bé mpihaino fitarainana
Toy ny tsisy akory ny teniko rehetra nidradràko mafy tanaty ranomaso
Eeeh,sento sisa antsa azoko ventsoina ho famaranam-bavaka,
Dia nidaboka aho nandritra ranomaso Dia nitsiky faramparany.
Omaly hariva

Zavona Rakoto 30 may 4h32mn
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo
8 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124