"VAOVAO RATSY" (Zavona Rakoto (AQUARIUS))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga teto omaly dadatonareo,Tsy fantatro mazava izay natao teo fa....
Taratasy hono io napetrany io,
(hoan'i Faaralahy):
Herinandro izay no niantso aho saingy indrisy
Ny tahiry tato nanify Dia nanify,
Tsy nahavidy fahana niantsoko anao.
Izao no vaovao:
Kely hoe ny vatsy ka tsisy niolanana,
Aty aza Aho no saika Haka saran-dalana.
Ny reninao no hany nampitondra Kely,
Ba kiraro roa sy ranona tantely.
Mahaiza hoe mitsitsy
Ny zandrikelinao no manontany foana
Nakaiza hono i Zoky?ovina hoe no mihaona!
Fa ny tena hafatra asiako tsindrin-teny,
Modia aloha ianao fa Maty omaly i neny.
Zavona Rakoto
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahafatesana - Alahelo
Mpakafy:
ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto (AQUARIUS)Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 23/01/2026 06:05
