You are here: home > Vetso

Ando - Zay LAFATRA

Azo vakiana?


Maraina mamanala mangatsiaka feno ando,
Ora efatra vao mipoitra ilay masoandro.
Mamelombelona an-tendrin-kazo ianao ry Ando,
Mirotsaka aman-taona fa indrindra isanandro.

Na ireo fitsihom-borina milaza hafaliana,
dia mapatsiahy ahy foana ilay vazonao,
Ny voninkazo an-tananao manambara hamamiana,
Feno vovom-pitia,manitra an'izao o!