You are here: home > Vetso

BANGANAO - Zay LAFATRA

Azo vakiana?

BANGANAO




Andro vintsy monja dia tsy ho eto intsony ianao!
Toa tebiteby lava no hiainako amin'izao!
Ny andro tsy ahitako anao,toa tsy mba andro!
Mosarim-pitiavana ny maraina sy antoandro.

Ny banganao anie ka fijaliako mitafotafo,
na ny ora tsy ahitako anao dia novidiako lafo.
tsy te ho banganao aho ka mba hevero ihany.
saho mantsy ho bangako ny eto an-tany.

Zay LAFATRA

Sokajy : Fitiavana