Dada - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Dada! toa verivery dia sy lasalasa saina ny fiainana omaly,
tsy fidiny ho anao no lasa toy izao ka ho olona hijaly
dada! tsapako ihany koa ireo olana nianjady izay tsy zakanao,
dada! manankìna fo amin'ilay Tompo Andriamanitrao.
Ianao ilay nifofotra ny hahatafita anay tao anaty tery,
tsy nitsahatra nikolo anay na dia injay ianao irery.
Dada! onena anao ny foko, marary anao ny aiko,
Tiako ianao ry Dada fa masoandro nantenaiko.
mafisa fo ianao ry Tompo vonjeo Dadanay,
aza jerenao akory ny hadisoany fa henoy ny vavakay.
Ireo ota efa vitany sy izay mety ho kinasany,
ifonako ry Ray! omeo azy indray ny asany.
14/03/19
Zay LAFATRA
Sokajy :
Aingam-panahy, Vavaka
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 24/03/2019
Mpamangy : 1068
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA