HISARAKA SAHADY (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"HISARAKA SAHADY"

Hangina aho androany ry sakaiza
tsy niantra,
Fa nomenao ahy ilay teny izay
nandatra.
Indrisy mantsy dia ho foana
sahady,
Ireo teny maminao hoe raha tsy
izaho tsy hanambady .

Aiza izao ilay dina izay
nifanomezatsika?
Hoe tiako ianao malala ary tsy
hisaraka isika.
Narary mihitsy izany foko raha
nolazainao hoe ndao hisaraka,
Anefa isika mbola haingana
nifapitosy sy napiaraka.

Tsapako ankehitriny fa tena mafy
izany ady,
Izaho sy ianao izany dia hisaraka
sahady?
Mafaitra izany ka mangidy,atako
ahoana angamba?
Anefa ianao mihitsy no niteny hoe
ny masonao no jamba,
Raha iny nahatazana ahy teo
amoron-dalana,
Ka tsy navelanao handeha fa avy
hatrany dia nosakana.

Hoy ianao tamin'izany:

Azafady,misy resaka ataoko aminao
indray monja!
Tsy teny ratsy akory fa teny kely
iray mafonja!
Efa ela ange izaho no tehiteny
an'izao!
Miangavy mba valio,
Moa ve tia ahy ianao?

Tia anao aho ka nanaiky tsy
noterena,
Anio kosa anefa ianao nivadika tamin'ny
fanekena!
Gaga aho ka gaga ny tontolo,
Fa manomboka eto ilay fitia dia ho
lasa bobongolo.

Ankehitriny kosa anefa dia hoe
izaho mameno maso,
Tsisy fy intsony fa lany mamy ka
matsatso!
Ty vava oa e!aza dia
mipenopenona,
Fa any andro iray ianao io mbola
hanenina!

Pamitaka ve ny lehilahy ry
namako?
Sa nahita hafa indray hanoloana
ny fitiavako?
Anefa raha ny fitiavany ahy
hatrizay,
Nampiteny mihitsy hoe manaraha
ny dianay.

Mpandainga ianao no sady
pamitaka,
Ny ahy izao ny fery,roviana vao ho
sitrana?
Ny alinalin-kitana,
Raha oviana ho feno kitana.

Efa nofafainao matsy ilay kitam-
paniriako,
Niandrandrako lalan-dava mba
hitarika ny diako.
Hitraka aho ravolana na resinao ry
tany,
Na niezaka aza aho nangina dia tsy
tanako ny tomany.

Tsy maninona anefa fa tso-drano
no asetriko izany,
Mandehana mahalasa fa tsy ho
lani-borona ny tany!
Fa aza ferana kosa aho raha
manao tozizao,
Nalahelo loatra mantsy aho ka
nitomany noho ianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1744 1
Mpakafy: Rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017 19:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819