You are here: home > Vetso

HOPITALIM-PITIAVANA - Zay LAFATRA

Maro ireo marary ankehitriny izao,
noho ilay aretina tsy sitram-panafody.
Mino aho fa efa tratran'io koa ianao,
ka nifendrofendro sy tehiantso tody.

Izaho aloha hopitalim-pitiavana!
pitsabo ihany koa ilay radoko ny foko,
ka ho sitraniko avoko anie rahavana,
ny embo-pisetoana hatramin'ny toloko.

Hopitalim-pitiavana tokoa mantsy aho ka milaza izany!
Pizara fanafody ho an'izay tsy manana!
Pandidy ny homamiadan'ny tomany,
Pi"scaner" ny feon'ny vinany.

Raha toa ianao ka naratra mafy,
sy tapa-taolana miraorao.
Hoento aty fa aza mihafihafy,
fa izaho ilay hopitalim-pitiavanao.

Ity ny laharan'ny findaiko raha toa ka tsy manana indry,
"586" ilay izy,mandeha foana isanandro!
Sady tsy misy sarany fa "mode gratuit".
maraina hariva eny na atoandro.

Hopitalim-pitiavana tokoa mantsy aho,
ka satriko ianao harary lalandava!
hanatona ahy sy ande hitalaho.
ka tiako ianao no mba haloaky ny vava.

17/09/17

Hametraka hevitra

Midira aloha