INY SARY TOKANA INY (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny sarinao iny sakaiza!
Intsony tsy haveriko,
fa hataoko ambany ondana.
Intsony tsy hafeniko.

Iny sary tokana iny,
no sisa mba fijeriko.
Mora havanina sy fy,
ary mamiko teliko.

Iny sary tokana iny anie!
No panaisotra ny jaliko,
rehefa mahatsiaro anao ombieny,
na misy zavatra tsy tantiko.

Iny sary tokana iny,
no hany sisa fahatsiarovana,
Mba natolotrao ahy,
tamin'ny teny am-pahatsorana.

Iny sary tokana iny,
hatramin'iny hatramin'izao,
dia voatahiry tato akany,
fa indrindra ilay mosoaranao.

Iny sary tokana iny,
no sakaizam-pifaliana.
Toa tandindon'ny mangidy!
Lasa hazo fijaliana.

Iny sary tokana iny!
Tsy hatoroko an'izy intsony,
mandram-piverinao indray,
intsony intsony intsony.

Zay LAFATRA
26/12/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1424 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 04/07/2018 18:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096